Fitaizam-batana: tia mamonjy «salle de sport» ny olon-dehibe

Anisan’ny mahasalama ny vatana ny fanaovana fanatanjahantena. Tsy mifidy taona ny fampiasam-batana fa natao ho an’ny olon-drehetra. Tsy mifidy toerana ny fikotranana saingy amin’izao fotoanan’ny hafanana izao, betsaka ny olona mamonjy « salle de sport ».

Malaina mikotrana eny ankalamanjana ny olona amin’izao andro mafana izao. Vitsy ireo tazana mitaiza vatana eny amin’ny kianja fanaovana izany. An­ton’izany, ny fidaniky ny ma­soandro sy ny hafanana mivaivavy, araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo. Vokany, mamonjy irony efitrano misy fitaovana fanaovana fanatanjahantena ireny na ny «salle de sport» ny ankamaroany.
Ireo vehivavy sy olon-dehibe manodidina ny 40 – 60 taona anefa no tena mameno ireny toerana ireny. Samy manana ny tanjony ny tsirairay. Ao ireo te hampihena ny tavy misy
eo amin’ny vatana. Ny an’ny sasany, alefan’ny dokotera mikotrana ho an’ny fahasalamany. Ny hafa, efa fahazarana ny manao fanatanjahantena.
Misy mpanazatra na «coach» efa manana ny fahaiza-manao manoro sy mampianatra arakaraka ny filan’ireo olona.

Sakafo sy fialantsasatra voalanjalanja

Ambaran’ny mpitsabo ara-mpanatanjahantena fa ilain’ny vatana ny manao fanatanjahantena ary tsy voafetran’ny taona. Na izany aza, misy ny fepetra tsy maintsy arahina, toy ny sakafo hohanina izay tokony ho voalanjalanja tsara. Ilain’ny olona mikotrana ny fisotroana rano mialoha sy mandritra ary aorian’ny fampiasam-batana. Tsy miandry mangetaheta vao misotro rano. Ny fihinanana legioma sy voankazo misy vitamina sy kalsioma. Fady ho an’ny olona mikotrana ny fandraisana fanafody mampatanjaka, ny fifohana sigara sy fisotroana toaka.
Zava-dehibe ho an’ny mpanao fanatanjahantena ny miala sasatra. Toro-hevitry ny mpitsabo ny manome fitsaharana ny vatana. Elanelanina raha azo atao ny fikotranana, izany hoe, asiana andro hialana sasatra. Ankoatra izay, atao ampy tsara ny torimaso.

Tompondaka

Partager sur: