Governora Faritra Diana: “Ilaina ny fahamarinan-toerana politika”

“Tombony ho antsika Malagasy ny fananantsika firenena milamina, indrindra ny fahamarinan-toerana politika”, hoy ny governoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, tany Antsiranana, omaly, momba ny toe-draharaham-pirenena. Harena sy rehareha izay filaminana sy fahamarinan-toerana izay. Ao anatin’ny vanim-potoana iantsoana ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka maro ary ny mpandraharaha hampiasa ny volany eto Ma­dagasikara. Koa ilaina ny fahamarinan-toerana politika. Manentana ny vahoaka tsy ho tratran’ny vela-pandrik’ireo mpanao politika tsy mataho-tody, tsy mieritreritra afa-tsy ny tombontsoany manokana. Tsy mendrika an’izany ny vahoaka malagasy. Fanajana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fitiavan-tanindrazana. Fanajana koa ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Efa manomboka miarina ny fiainam-pirenena amin’izao. Ma­ro ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny filoha Rajoelina no vita. Vao afakomaly, ohatra: efa vita amin’ny ampahany ny fandrovanana ny arabe migodana Antananarivo-Toamasina.

R. Nd.

Partager sur: