Mpivaro-kena ao an-tsenan’i Imerintsiatosika ny iray amin’ireo jiolahy tratran’ny zandary. Noraisim-potsiny teo am-pibatana kisoa avy nangalarina ry zalahy ireto…
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Imerintsiatosika, ny 6 janoary teo ireo jiolahy mpangalatra kisoa. Nahazo antso fanairana ny kaomandin’ny tobim-paritra fa misy olona ahiahina ho nangalatra kisoa ao amin’ny fokontany Ambodisaha kaominina Imerintsiatosika. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’ny halatra. Tratra tao an-tokantranon’ny jiolahy iray ny kisoa roa efa maty, mbola tsy voadoro saingy efa niala kosa ny taovany. Tratra koa ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ izany, tsy teo an-toerana ny tompon-trano. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary. Nilaza izy ireo fa tany amin’ny fokontany Beronono no nangalarany ireo kisoa ireo. Dimy lahy ry zalahy no niaraka nanao io halatra io. Tonga nametraka fitarainana tao amin’ny zandary ny tompon’ireo kisoa very tao Beronono Imerintsiatosika, taorian’ ny fahatrarana ireo mpangalatra. Nilaza izy fa nisy nangalatra ny alin’ny alahady teo ny kisoany roa. Rehefa naseho azy ireo kisoa halatra ireo, voamarina tokoa fa ireo ilay kisoany nisy nangalatra. Efa naverina amin’ny tompony ireo kisoa very taorian’ny fanamarinana rehetra. Mitohy ny fikaroahana ireo olon-dratsy mpiray tendro amin’ireto mpangalatra ireto.
Jean Claude