Toa zary iri-mahaory ny rivodoza amin’ny toerana sasany satria tena io no heverina hahazoana orana sisa. Maina loatra ny tany, miandrandra orana ny ankamaroan’ny faritra maro fa tena mijaly ny fambolena. Tsy mbola hay na hipaka aty amin’ny afovoantany izay efa tena karakaina ny orana entin’ilay andro ratsy na tsia.
Mikarakara hetsika soratononina ao amin’ny Lisea Moderne Ampefiloha (LMA), ho fiadiana amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ny « Club Rotary », ny sabotsy 25 janoary 2025 izao. Afaka mandray anjara amin’izany ireo mpianatra avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra sy kolejy ary Lisea. Entanina amin’izany koa ny olon-dehibe. Tanjona amin’ity hetsika ity ny fanoratana teny tsy misy diso.
Mivaivay amin’ny tsy fandriampahalemana miseho amin’ny alalan’ny hala-boty ny eny anivon’ny fiarahamonina amin’ireo tanàna sasantsasany eto an-dRenivohitra. Tsy azo ilaozana ny trano fa manao ny hataony ireo mpangalatra na atoandro aza. Hatramin’ny biby fiompy sy ny fanana kely nohariana dia lasibatra avokoa.
Manoloana ny fepetra fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana nokasain’ny kaominina Mahajanga, nirodorodo naneho ny tsy fankasitrahana izany ny mpivarotra, omaly. Niantso ny solontena nifampidinika ny kaominina ary tonga nanelanelana ny governora. Tapaka fa hapetraka ny lamina manokana ary foanana aloha ny fanesorana ny mpivarotra.