Mamiratra ary tena misongadina ny Malagasy. Manaporofo izany i Tsiory Razafinimanana amin’ny fandraisan’anjarany amin’ny “Le Meilleur Patissier”.
Tanterahina anio hariva, any Paris France ny famaranana ny “La Meilleur Patissier” andiany faha-13. Fifaninanana manamboatra mofomamy, karakarain’ny fahitalavitra Frantsay M6 izy ity. Anisan’ireo telo hiatrika izany dingana lehibe izany i Tsiory Razafinimanana, izay ao anatin’ireo teratany malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Ankoatra azy, hiatrika sy hifaninana aminy ihany koa i Timothé sy José. Tanjon’ny hetsika ny fanomezana sehatra ireto mpanatalenta eo amin’ny sehatry ny fanaovana mofomamy ireto sy ho fampivelarana ny talentany.
Nampitolagaga ny maro indrindra ny mpitsara, ny zava-bitan’i Tsiory Razafinimanana nandritra ity hetsika ity. Efa intelo no nandrombahany ny “Tablier Bleu” izay marika fa mpifaninana nisongadina ny tenany nandritra ny dingana nolalovana. Teo ihany koa ny nandreseny lahatra ireo mpitsara tamin’ny alalan’ny “Boule de neige”, izay vokatra nasehony tamin’ny manasa-dalana. Miisa 14 ny mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity tany am-piandohana. Nihintsana tsirairay isaky ny dingana izany ka izy telo mirahalahy ireto sisa no tonga eo amin’ny dingan’ny famaranana. Tsiahivina fa nisy an’i Lauréne, vehivavy malagasy, nandray anjara ihany koa tamin’ity lalao ity. Izy izay nihintsana teo amin’ny herinandro fahafolon’ny fifaninanana.
Amin’ny ankapobeny, tsara toerana handrombaka ny laharana voalohany i Tsiory Razafinimanana. Mampiavaka azy manokana ny fahaiza-mamorona ananany.
Lin