Anisan’ny nitondra fanazavana ny momba ny paikady sy ny fepetra iadiana amin’ny mpangalatra tany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha. Niaiky ny tenany fa anisan’ny mampikaikaika ny olona izany ka nametrahana ny paikady iadiana amin’ny kolikoly sy ny famerenana ny tany amin’ny Malagasy. Hentitra ny ministra tamin’izany. “Tsy misy indrafo amin’ireo mpangalatra tany. Efa niezaka isika niady amin’ny kolikoly sy nandray ary namaly ny fitarainan’ny olona”, hoy izy. Niarahana niasa amin’ny Bianco sy ny Transparency International ary ny Sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif) izany, araka ny nambarany. Eo koa ny nandraisana ny fepetra fampiatoana ny fomba fampiasan’ny mpanao ratsy hangalarana ny tany.
Etsy andaniny, anisan’ny natao koa ny fandraisana fanapahan-kevitra hiarovana ny tanim-panjakana amin’ireo minisitera samihafa. Hotohizana koa ny “Digitalisation” ahazoana ny “Certificat juridique” sy ny sarintany. “Tena anisan’ny mampijaly ny maro izany ka efa hapetraka amin’ny distrika maro izany ary mbola hananganana izany koa ireo faritra hafa”, hoy ihany izy. Nanamafisany izany ny hanolorana ny volavolan-dalàna hanamafy ny sazy ho an’ireo mpangalatra tany. Enjehina avokoa ireo rehetra manao izany na olon-tsotra na olom-boafidy na koa mpitantana, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny efa vita ny fanisana ny boky sy sarintany rovitra ahafahana miady amin’ny halatra tany. Fa eo koa ny hametrahana borigady hamahana ny olana momba ny fananan-tany.
Synèse R.