Mitaky asa maika sy miantraika amin’ny vahoaka

Nianoka sy niaina ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha, omaly, ny Malagasy. Fotoana nitakian’ny filohan’ny Repoblika ta­min’ny governemanta ny tsy maintsy hanafainganana ny asa misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka.

Notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny ministra voalohany amin’ity taona 2025 ity. Nita­rika izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, notronin’ny Praiministra Ntsay Christian sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nofaritana ta­min’izany ny vina rehetra ho­tanterahina. Samy nomena fitenena nanazavana ireo vina sy ny fandaharanasany ireo minisitra ary nandraisana fanapahan-kevitra izany. Nisonga­dina manokana ny firesahana sy fijerena manokana ireo maharary ny vahoaka. “Ha­na­tsara ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy no tanjona”, hoy ny filoham-pirenena.
Noresahina manokana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny momba ny fananganana ny “Parc Solaire”. “Jereo ny hanafainganana izany ao anatin’ny fotoana fohy mba hampienana ny olan’ny jiro”, hoy izy, tamin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Teo ihany koa ny momba ny vidim-bary sy ny fanampiana ireo tantsaha. Nambaran’ny filoha sy ny minisitra tompon’andraikitra fa efa misy ary hitohy ny fanampiana ireo tantsaha ary hafainganina ny fampidinana ny vidim-bary. Nasian-teny koa ny momba ny ady tany, ny fanamboarana ireo lalam-pirenena samihafa, ny vidin-tsolika ary ny doro tanety, mirongatra ankehitriny.
“… Manana vahaolana isika”
Nitadiavana vahaolana manokana ny mahakasika ireo olan’ny vahoaka ireo. Tao anatin’izany koa nampahafantarana ireo ezaka sy fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana izany. “Ampahafantarintsika ny vahoaka ny olana ary asehontsika azy ireo ihany koa fa manana vahaolana isika” hoy ny filoha Rajoelina Andry. Tsiahivina fa nalefa nivantana tamin’ny onjam-peo sy fahitalavim-panjakana izany filankevitry ny minisitra izany. Tanjona anatin’izany ny hampangarahara sy hahafantaran’ny vahoaka malagasy ny zava-misy.

Lin

Partager sur: