Nandritra ny fisafoana: tovolahy iray maty voatifitry ny polisy

Nirefotra indray ny basy tao Tanambao Verrerie Amparangodorao Parisela 21/71, ny talata alina teo.

Tsy lavitry ny toeram-pitsaboana iray no nitrangan’izany. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny polisy, tovolahy iray voalaza fa jiolahy saika hamaky trano ity maty voatifitra ity. Nikasa handositra izy ka voatery tsy maintsy nitifitra ny polisy. Vokany, maty tsy tra-drano ilay jiolahy. Naterina ao amin’ny Tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina ny vatana mangatsiakany. Nitondra fanamarihana kosa anefa, tetsy ankilany, ireo olona mahafantatra ity voalaza fa jiolahy ity. Mpitondra posy no asany ka haka ny posiny vao maraina io tovolahy io. Somary tsy nahafaly ny fokonolona ny zava-niseho manoloana ny trangana asan-jiolahy mitranga ao Toamasina. Nilaza ireo fokonolona fa tsy nanana basy izy kanefa maty voatifitra. Ireo jiolahy tena mpanao fanafihana mitam-piadiana anefa tsy tifirin’ny polisy, araka ny alahelon’ireo olona sasany nahita ny zava-misy marina tao an-toerana. Andrasana, araka izany, ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena amin’ny maha jiolahy ity tovolahy maty voatifitra ity. Miandry ny tohin’ny raharaha ny fianakaviany.

Sajo

Partager sur: