Ravalitera Jacques Michaël: “Mila mifampiresaka ny samy raiamandreny”

“Mila henoin’ny zanaka ny raiamandreny. Na raiamandreny ara-pitondrana io, na ara-drazana, na ara-pivavahana. Nefa tokony hihaino ny zanaka koa izy ireo. Ilaina izay fifampiresahana izay, raha tiantsika ny hampivoatra ny tontolo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alaro­bia, omaly, manoloana ny ra­haraham-pirenena amin’izao. Lasa toa ka mitady hivaona ao anatin’ny fiarahamonina isika amin’izao, fa hadino ny kolontsaina maha Malagasy. Lasa sanatria mitady hisian’ny ko­rontana ao anatin’ny fiarahamonina. Raha miady, ohatra, ny ray aman-dreny ao an-tokantrano: hisy zavatra hilamina ve? Na miady ny samy ray aman-dreny… Samy raiamandrany na ny ara-panjakana, na ny ara-panahy na ny ara-drazana. Milamina ve ny firenena raha miady ireo? Tokony handray andraikitra hatrany ny raiamandreny na ara-panahy na ara-drazana. Na ny eo anivon’ny fiarahamonina koa aza: tsy tokony handry amim-bolony izay resahina fa hamakafaka, indrindra ny lalàna mifehy.

R. Nd.

Partager sur: