Tsy hita be ihany ny antoko amin’ny tontolo politika amin’izao? Mampahazo vahana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Razanatoandro Solofoniaina. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy intsony amin’ny tontolo politika?
Razanatoandro Solofoniaina (-) : Mandinika hatrany ny antoko: ahoana ny fivoaran’ny politika ankapobeny, ny toekarena, ny sosialy? Natao hitady fitondrana tokoa ny antoko. Mila lalana izay: rehefa tsy lany ny tena, aleo hiasa ny hafa. Raha misy, ohatra, ny fanakianana amin’ny fifidianana, misy ny rafi-panjakana samihafa eo: any no mitory. Ny olana eto amintsika: rehefa tsy ny tena no eo amin’ny fitondrana dia tsy mety sy korontanina. Tsy mety izay, efa nilaozan’ny toetrandro. Tsy adala ny vahoaka, efa nandinika hatramin’izay… Misy ny mpitandro filaminana miaro, fa ny tadiavin’ny sasany dia ny hisian’ny ra mandriaka indray. Tsy manaiky an’izay izahay, fa tsy hoe mangina. Aleo handray andraikitra ny fitondrana fa izy no eo. Manohana azy izahay, fa ara-dalàna ny maha eo azy: aleo izy hiasa fa tsy hitabataba izahay. Tsy azo atao ny manakorontana fiainam-bahoaka. Aleo handray ny andraikiny ny mpitondra fa aza korontanina.
* Ahoana ny hoavin’ny politika eto Madagasikara amin’izany?
– Diso mandefitra loatra ny fitondrana indraindray. Tsy maninona. Izay angamba no tsara, dia arahinay. Aleo izy hanao ny azy fa fantany ny tsara. Ny hoavy? Misy hatrany ny fivoaran’ny fiainam-pirenena, na amin’ny politika na toekarena. Vokatry ny tontolo politika ankapobeny, ohatra, ny fisian’ny hoe tsy miankina mihamahazo vahana. Tonga saina ny vahoaka izay tia filaminana, fa manao ny ataony ny andaniny dia misy fisavorovoroana kely. Manohitra an’izay filaminana izay ry zareo dia mamafy lainga. Izay no itenenay hoe aoka tsy handefitra hatrany ny fitondrana, aleo manao serasera hatrany ary hatao mafimafy kokoa fa manjary mandaitra ny lainga. Na izany aza, efa iaraha-mahita ary tsy ny AKFM ihany no mahatsapa an’izany fa na ny eo amin’ny fanoherana aza: tsy ilaina intsony ny korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Aleo handeha ny fiainam-pirenena. Afa-manao hetsika ny mpanohitra. Tsy maninona izany, fa aoka tsy hitady izay hisian’ny korontana sy ny ra mandriaka
Nangonin’i R. Nd.