Norobain’ny jiolahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny ramatoa iray ka lasa ny vola
3 tapitrisa Ar tao Morarano, Toamasina, omaly. Hamonjy toeram-piasana, nosakanan’ ireo roa lahy io renim-pianakaviana io. Nambanana tamin’ny basy avy hatrany izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nitohaka tao an-damosiny, raiki-tahotra ilay lasibatra ka nanome ny poketra nisy ny vola teny aminy. Nirifatra nandositra tamin’ny moto ireo roa lahy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay niharan’ny fandrobana saingy efa tsy tazana intsony ireo roa lahy naka ny vola. Nisy nahazo sary ny fihetsik’ireo jiolahy ireo saingy tsy afaka nanao na inona na inona ny manodidina noho ny tahotry ny fisian’ny fitaovam-piadiana.
Tokantrano maromaro lasibatra
Niverina nandroba tao Mangarano, parisela 11/46 ny jiolahy miisa enina nitam-piadiana, ny 7 janoary teo. Niditra tao amin’ny toerana misy tanàna maromaro tao amin’io faritra io, nasesin’ireo olon-dratsy ny tokantrano, tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Nifindra tokantrano hafa isaky ny nahazo ireo mpandroba. Notohanany tamin’ny hazo sy biriky avokoa ny varavaran’ ireo trano avy norobainy. Nokasain’ireo jiolahy hatao takalonaina ny ankizy iray tao amin’ ny tokantrano lasibatra saingy tsy tontosa izany. Efa tafaporitsaka avokoa ireo nahavanon-doza vao nigadona tao an-toerana ny mpitandro filaminana. Mandry tsy lavo loha ny mponina ao Toamasina manoloana ny tranga tsy fandriampahelamena miseo lany. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony sy hanamafy ny ady amin’ny famongorana ireo jiolahy ao an-toerana ny mponina.
Sajo