Notoloran’i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara mari-pankasitrana i Rado Ravalison na Orad, tompondakan’ny Slam National XV teto Madagasikara. Teny amin’ny ivontoeran’ny masoivohon’i Etazonia Andranomena no nanatanterahina izany lanonana izany. Ankoatra an’i Orad, nomena mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpandresin’ny fifaninanana nasionaly tamin’ny sokajim-pifaninanana rehetra. Tetsy ankilan’izay, nisy ny seho natolotr’ireto mpandresy nandritra ny fifaninanana nasionaly ireto nentina nandravahana ny lanonana.
Tanjona ao anatin’izao ny hankasitrahana ireo mpanakanto sy hampaherezana azy ireo hiezaka hatrany. Ny masoivohon’i Etazonia izay miara-miasa amin’ny Madagaslam amin’ny fampivelarana ny Slam eto Madagasikara. “Talanjona tokoa aho nahita ny seho nataon’ireto mpiangaly slam ireto… Araka ny mety efa henonareo, mbola hanohana ny hetsika « Slam » ho ataonareo izahay amin’ity taona ity, amin’ny alalan’ny fifaninanana Slam amin’ny teny Anglisy tanterahina manerana ny Nosy ka hofaranana amin’ny fampisehoana lehibe eto Antananarivo izany”, hoy i Claire Pierangelo.
Lin