Sombim-baovao

Fantatra ny firafitr’ireo ekipa malagasy roa hiatrika ny Passion Pétanque Française (PPF 2025). Hia­raka ry Tselonina sy Racle ary Nanou. Hitambatra iray kosa i Baloty sy i Tianakely ary i Zigle. Fifaninanana izay hatao ao Aix-en-Provence France ny 15 sy 16 febroary ho avy izao.

Ho fanomanan’ny Barea ny «Chan 2025», taranja baolina kitra, hisy lalao fitsapana roa hataony. Voalohany, ny lalao hihaonana amin’ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony, hatao ny alahady 12 janoary izao, ao Fianarantsoa. Ny fihaonana faharoa, hidona amin’ny ekipan’i Vatovavy Fitovinany, hotanterahina any Manakara ny sabotsy 18 janoary 2025 ho avy izao.

Maro ireo mpilalao baolina kitra malagasy atsy La Réunion no niova klioba hilalaovana. Anisan’izany,
i Tsito izay nifindra lasy ao amin’ny JS ST Pierroise rehefa nilalao tao amin’ny ST Pauloise. Toy izany koa i Bourahim lasa ao amin’ny Cigognes raha tany amin’ny ST Pauloise teo aloha ary i Baggio lasa ao amin’ny AS Excelsior.

Hanomboka ny talata 14 janoary ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja handball, sokajy lehilahy. Fihaonana hatao any Croatie sy Danemark ary Norvège. Iray vondrona amin’i Croatie, i Egypte, i Tunisie ary i Algerie miaraka amin’ny Dane­mark sy Italie. I Guinée kosa miray vondrona amin’i Hongrie.

Partager sur: