Hivoaka tsy ho ela ny hira misy ny fampiaraham-peon’i Noely Sakelidalana sy ny tarika Ny Fanilo. « Ny Tadim-pitiavany » no lohatenin’izany hira izany. Hira ara-pilazantsara Ba Gasy milamindamina izy ity. Efa eo ampanatanterahina ity tetikasa ity ny roa tonta amin’izao. Hisy ny horonantsary mirakitra ny tononkira mialoha ny amoahana ny horonantsary ofisialy.
Mila mijery toerana vaovao. Tao anatin’ny taona maro, efa zary mahazatra any amin’ny toerana na faritra sasany ny hetsika iray. Tsikaritra, anefa, fa manomboka mitady toeran-kafa ny filan’ny zavakanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara. Tahaka izany ihany koa ny mpitia azy ireo. Tsy voatery ho mpandraharaha lehibe no manatanteraka izany. Azo iaingana tsara ny eny amin’ny fototra (fokontany, distrika…).
Hiaka-tsehatra indray i Mad Max taorian’ny tsy nahenona sy tsy nahitana azy an-tsehatra. Raha nahazatra ny mpankafy azy ny mianoka fampisehoana sy hira vaovao avy amin’ity tanora mpanakanto ity isaky ny fety, tsy hita kosa izy tamin’iny fetin’ny faran’ny taona iny. Manome fotoana ny mpankafy azy eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo i Mad Max ny alin’ny zoma izao.
Manana vina, hampita fahalalana ho an’ireo mpianatra liana amin’ny fianarana mozika ireo mpampianatra mozika niofana tao amin’ny foibe fampianarana sy fikarohana Valiha Académie. “Hisy ny fifandaminana eo amin’ny mpitantana ny sekoly izay vonona amin’izany”, hoy ny tomponandraikitra. Nomarihin’ireto mpampianatra ireto fa maro ny tanora manan-talenta, saingy, tsy hita izany raha tsy midina eny ifotony mihitsy.