Tatitry ny asa vitan’ny SMA 503 494m3 ny hadirin’ny fako voatatitra ny taona 2024

Nizotra sy nihatsara ny asan’ny SMA teo amin’ny fitantanana ny fako teto an-dRenivohitra tamin’ity taona ity, raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’izy ireo.

Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny herintaona ny teo anivon’ny orinasan’ny kaominina misahana ny fanadiovana na Société Municipale d’Assainis­se­ment (SMA) eto an-dRe­nivohitra, omaly, teny Andra­lanitra. “Nandroso sy hita ny fivoaran’ ny asa teo anivon’ny SMA tamin’iny taona 2024 lasa iny, raha oharina tamin’ny taona 2023”, hoy ny Kolonely Razafimanahaka Tiana, tale misahana ny SMA. Nison­gadina indrindra tamin’izany, ny fakana ireo fako eto amin’ny tanàna sy ny fiahiana ireo mpiasa. Mahatratra 503 494m3 ny hadirin’ny fako voatatitra nandritra ny taona 2024, raha toa ka nanodidina ny 285 788m3 izany tamin’ny taona 2023, raha ny tatitra voaray. 30% ny tahan’ny fako voaangona teto Antananarivo tamin’ny voalohan’ny taona 2024. Lasa 70% kosa izany amin’izao fotoana izao.
Mankasitraka ireo nanohana rehetra tamin’ny fanatanterahana ny asa ny tomponandraikitra, manomboka any amin’ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta izany. “Teo koa ny fandraisan’anjaran’ny mponinan’ Antananarivo tamin’ny alalan’ny fandoavan-ketra, izay nahatonga ny famatsiana ny SMA ho tanteraka sy hisy filaminana”, hoy ny Kolonely, Razafimanahaka Tiana. Miantso ny rehetra amin’ny fandraisana adraikitra koa ny eo anivon’ny SMA mba hanao ny adidy manandrify azy. “Miantso ny rehetra handray anjara amin’ny fandoavan-ketra, satria antoka iray ahafahana mametraka ny tanàna madio sy mahate honina izany “, hoy ny tale misahana ny SMA.

Nisy paikady natao
Nanaovana ezaka goavana nandritra izany ny fampiofanana ireo mpamily fiara vaventy sy ny fanatsarana ny lafiny fitantanana, izay nahafahana nanatratra ny tanjona. Toy ny fitsitsiana sy ny fikojakojana ny fitaovana isaky ny fiara sy ny mpiasa. Teo koa ny fiaraha-miasa teo amin’ny Jica sy ny Gesda nanampy tamin’ny fitaovana.
Ankoatra izay, manampy amin’ny fitantanana ny fako ho tsaratsara kokoa sy ahafahafana manodina azy ireo ny fanavahana ny fako mora lo sy tsy mora simba. Natom­boka teny amin’ny fokontany Ampefiloha izany. Manentana ny rehetra sy ny eny anivon’ny tokantrano mba hanohy izany. Tanjona ny hananana tanàna madio.

Mino

Partager sur: