Toamasina: tovolahy voafonja nandositra

Manaraka fitsaboana manokana ao amin’ny sampana fitsaboana saina eo anivon’ny hopitalibe Toamasina ny lehi­lahy iray efa voatsara tamina raharaha heloka bevava. Nan­dositra ny tolakandron’ny talata 7 janoary teo ity tovolahy ity. Voatazona ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, nahazo alalana manokana hanaraka fitsaboana saina eo anivon’io hopitalibe an’i Toamasina io ity farany. Nifatotra rojo hatrany ny tongony saingy nesorina izany tamin’io andro io. “Nomena finday izy ka tamin’io fotoana io no nanararaotra nitsoaka”, araka ny loharanom-baovao. Nandositra tampoka tao amin’ ny toeram-pitsaboana anefa ity tovolahy ity. Nihazo ny lalana miditra ny fokontany Analakininina Hopitaly. Naharaka ny zava-nisy ny fokonolona manodidina ka nifanampy tamin’ny fanenjehana azy. Tratra ihany izy ka naverina notazomina manaraka ny fitsaboana eo anivon’ny sampana miandraikitra izany ao amin’ny hopitaly. Niverina tamin’ny laonina ny fandriampahalemana tao an-toerana taorian’izay.

Sajo

Partager sur: