Toetr’andro: hivadika ho rivodoza mahery vaika i Dikeledi

Mitombo hery hatrany ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indiainina, ara­ka ny tatitra nataon’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Heve­rina fa hivadika ho rivodoza anio alina ity andro ratsy ity ka hitondra ny anarana hoe : Dikeledi. Ho lasa rivodoza mahery vaika izy any an-dranomasina any. Hanam­bana ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity, amin’ny faran’ny herinandro, amin’ny tanjaka Forte Tem­pête Tropicale na Cyclone Tropical.
Tokony hampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana fanairana miloko maitso avy hatrany ny mponina amin’ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa.
Ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Vatomandry dia tokony ho tafaverina an-tanety ny zoma hariva ary tsy hiandriaka intsony mandra-pahalasan’ny loza.
Ho an’ny rehetra, mila manaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Omaly maraina, tany amin’ny 2456 km atsinanan’Anta­laha no nisy ny foiben’ilay andro ratsy ary efa nivadika ho dépression tropicale izy. 55 km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 75 km/ora manakaiky ny foibeny.
Mahakisaka miakandrefana haingana izy ka nahafaka 35 km/ora. Tombanana hitombo hery hatrany izy ity ka hivadika ho rivodoza mahery vaika.

Tatiana A

Partager sur: