Nindaosin’ny fahafatesana, ny harivan’ny 7 janoary 2025 teo amin’ny faha-65 taonany, Rakotoson Rémi filohan’ny tarika Remy. Nambaran’i Mami Bastah fa : « Mahatsiaro irery, satria, ny tenako irery sisa no mpikambana namorona ny tarika Remy tamin’ny taona 1982 fa lasa daholo ry zalahy ». Anisan’ny sanganasa nahafantarana azy (Rémi) sy ny tarika Remy ny hira « Zaro » (Zaro amin’ny lalana tokony ho izy ny ankizy…).
« Ny fananana saina be fanantenana rehefa manao zavatra. Mitodika any amin’ny fahombiazana hatrany, no anisan’ny mampiavaka an’i Rémi », hoy i Mamy Bastah. « Ny alahadin’ny Paka, taona 1982 izahay no niakatra sehatra voalohany. Efa-dahy tamin’izany. Ny taona 2022 kosa no niarahanay teny an-tsehatra farany. Ireo kosa no anisan’ny nanamarika ny fiarahanay roalahy », hoy hatrany i Mami Bastah.
Nampiavaka ny sanganasan-dRakotoson Rémi sy ny tarika Remy ilay fanehoana ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Amin’ny fomba tsotra, tononkira mora raisina, fandrindrana mahasarika ny sofina.
Ny zoma 10 janoary, amin’ny 11 ora maraina no hiala ao amin’ny tranony Ambohimahazo ny nofo mangatsikany. Hoentina any Ambohibary Sambaina. Amin’ny 1 ora no hanatanterahina ny fanaovam-beloma farany ao amin’ny Ekar Saint Joseph Ambohibary Sambaina. Mirary fiononana feno an’ny fianakaviana manontolo sy ny tarika Remy ary ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto