Tsy maintsy hahitsy amin’ny tena vidiny iraisam-pirenena ny vidin’ny solika fandrehitra amin’ity taona ity. Mahatratra 1200 à 1400 Ar isaky ny litatra ny elanelany miohatra amin’ny tena vidiny izao. Nahatratra 95 miliara Ar ny fanampiana ara-bola nomena ny orinasa mpamatsy solika ny taona 2024.
Mahery vaika ny delestazy vokatry ny tsy fahampian’ny solika hampiasain’ny Jirama. Intelo na inefatra miantoana izany, ary maharitra adiny roa na telo isanisany avy. Mihena ny fotoana afahana mamokatra ho an’ny mpiasa tena mampiasa herinaratra, ny orinasa madinika ary ny orinasa vaventy.
Nihena 223 Miliara Ar ny vola nanafaran’i Madagasikara vary tamin’ny taona 2024. Nihena hatrany amin’ny 483 Miliara Ar kosa izany tamin’ny taona 2023, antony nahafahana nitazomana ny sandam-bola malagasy. Nahitam-piakarana ihany koa ny famokarantsika vary tao anatin’ny taona vitsy.
Miankina betsaka amin’ny tontolo iainana ny famokarana eto amintsika. Mitotongana anefa izany manoloana ny doro ala izay mavaivay amin’izao fotoana. Mihena ny akora fototra ananan’i Madagasikara, voatery hitombo ny fanafarana ataon’ny firenena izay hiantraika betsaka eo amin’ny toekarena.