Hampiantrano ny andiany faha-29 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny faritra faha-7 (CC Z.7) taranja volley-ball, lahy sy vavy, i Maurice. Fifaninanana ho an’ny ekipa tompondaka lahy sy vavy, sokajy «sénior». Hotanterahina ny 22 febroary ka hatramin’ny 1 marsa ho avy izao izany fifaninanana izany. Raha tsiahivina, tokony handray ity andiany ity i Seychelles saingy niala an-daharana ry zareo. Araka izany, manomana fatratra ireo kianja handraisana ny lalao sy ny fanaovana fanazarantena amin’izao fotoana izao ry zareo maorisianina.
Ankoatra ny kianja mitafo Pandit Sahadeo ao Vacoas, hanaovana ny fifaninanana ihany koa ny ao Quorum, Rose-Hill. Toy izany koa ny ao Navin Soonarane ary ny James Burty David ao Curepipe.
Ekipa roa, lahy sy vavy, no afaka mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indianina ity. I Maurice mpampiantrano no hany nekena hanana ekipa
4 lahy sy 4 vavy. Handrasana any an-toerana ireo firenena hifaninana manomboka ny 19 febroary izay handraisana an-tanana azy ireo.
Mitodika amin’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball indray izany ny mason’ny rehetra amin’ity fifaninanana ity. Andrasana ny fahavononan’ ireo ekipa voakasika amin’ity andiany hatao atsy Maurice ity.
Tompondaka