Vondrona mpanohana ny fitondrana: “Tokony hosoloina ireo tomponandraikitra mitavozavoza…”

Nanao fanambarana tetsy Antaninarenina ireo vondrona politika, mpanohana ny fitondrana. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy ny filohan’ny Repoblika ihany no tompon’andraikitra eto. Eo ireo olom-boafidy sy olom-boatendry tokony hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja aminy, araka ny fanambarana. “Iombonana hevitra ny tokony hanoloana ireo tomponandraikitra mitavozavoza sy vato misakana, ka tsy miray fo eo amin’ny asa fampandrosoana tokony ha­tao”, hoy izy ireo. Nan­terin’ireo antoko politika ireto fa tsy mora ny nanarina ny fahavoazana sy ny lavaka mangitsokitsoka nisy ny firenena, vokatr’ireo gaboraraka, kolikoly, sy fitantanana tsy nahomby tany aloha. Mbola ao anatin’ny fanarenana isika ankehitriny. “Efa misy kosa anefa ny ezaka mba tsy hisian’ny fandanindaniam-bola tsy voahevitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fifehezana ny fitantanam-bola mba tsy ho tantely afa-drakotra”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, nohitsin’izy ireo fa tsy misy toerana ho an’ny korontana intsony eto. “Manohitra ny teti-dratsy hikasana hanonganam-panjakana ataon’ny mpanohitra noho ny fitadiavana tombontsoa manokana izahay”, hoy ihany izy ireo.
Notsindrin’izy ireo fa ao anatin’ny filaminana no hahafahana manarina ny firenena sy mamaha ny olana rehetra ka tsy tokony ho voasarika amin’ny fandranitana fifampiandaniana ary fifandonana samihafa ny vahoaka malagasy.

Synèse R.

Partager sur: