Ady tany: lehilahy iray namoy ny ainy, efatra naratra

Lehilahy maty vokatry ny fi­fampikasihan-tanana nateraky ny ady tany ary efatra naratra tao Kianjamiarina, kaominina Tsinjoarivo, afakomaly. Fi­ana­kaviana roa samihafa ity nitrangana fifanolanana mom­ba ny lova ity. Nanomboka ta­min’ny taona 2022 izy ireo no nifanditra teny anivon’ny fitsarana. Na­hazo rariny ny andaniny sain­gy tsy nanaiky ka na­nen­jana ny ankilany. Nifandri­horiho hatrany ny raharaha. Ni­henjan-droa ny tady ka niafara tamin’ny fifamaliana izany. Tsy nahafehy ny hatezerena ny iray ta­min’ireo mpifanolana ireo ka raikitra ny fifampikasihan-tanana. Voka­ny, naratra mafy ny lehilahy iray. Tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tsy nanaiky, namaly ka nidaroka ireo olona avy tamin’ny fianakavian’ilay nahafaty olona ny anki­lany. Olona efatra hafa na­ratra. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny zandarimaria miasa anivon’ny tobim-paritra Kira­no­mena. Nen­tina eny anivon’ny hopitaly Tsiroa­no­man­didy ireo naratra. Nive­rina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ao an-toerana. Hiroso amin’ny fanadihadiana sy fisamborana ny tompon’antoka tamin’ny vono olona ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: