Ilaina amin’ny fisitrahana jiro ao anatin’ny tetikasa « Hazavana ho anao » ny fananana karinem-pokontany misy QR Code. Ho voazara mialoha ny 26 jona 2025 ny karine.
Hanamora amin’ny lafiny sosialy ankapoben’ny mponina ny fampiasana ny karinem-pokontany misy Code QR, toy ny fifindra-monina, ny fakana fanamarinam-ponenana, ny tohana ara-tsosialy samihafa. Anisan’ izany ny tetikasa « Hazavana ho anao », fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, araka ny vinan’ny filoha Rajoelina Andry. Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MDNPT), Delmotte Stéphanie, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa mahatratra 1 787 340 ny karinem-pokontany efa voazara, ary miisa 5 817 968 ny tokantrano malagasy voaray lisitra, ka ho voazara mialoha ny 26 jona 2025 ho avy izao.
Maherin’ny 327 000 ny tokantrano efa nisitraka ny “Hazavana ho anao”, nampiasana ny karinem-pokontany misy Code QR, manerana ny Nosy. Hitohy izany, ka miisa 1 240 000 ny tokantrano hizarana azy ho an’ny telovolana fahatelo, taona 2025. Miisa 440 000 ny tokantrano hahazo azy amin’ny andiany voalohany, tohanan’ny tetikasa Lead, ary 800 000 ny andiany faharoa avy amin’ny tetikasa Decim.
Ho solon’ny solika fandrehitra
Nohazavain’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny filankevitry ny minisitra rahateo, fa ho vahaolana amin’ny fampiasana solika fandrehitra ihany koa ireo paikady roa ireo. Satria be loatra ny vola mivoaka amin’ny fanjakana hanentsemana ny elanelan’ny vidin’ny solitany fandrehitra sy ny hivarotana azy amin’ny mpanjifa, izay mahatratra 1 200 Ar isaky ny litatra. Nahatratra 95 miliara Ar ny fatiantoky ny fanjakana.
Nanamafy izany ny minisitry ny Angovo, Olivier Jean Baptiste, fa nitombo be ny fanjifana solitany fandrehitra, satria misy ireo mpisoloky mampiasa azy, tapohina singa simika manova ny lokony, ary hamidy hatao solika ho an’ny fiara. Efa maro ny tratra tany Toamasina sy teto Antananarivo.
Njaka Andriantefiarinesy