Fahasalam-bahoaka: mitentina 24 miliara Ar ny tohana ho amin’ny taona 2025

Nahomby ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka nimasoan’ny fanjakana tamin’ny taon-dasa. Hitohy izany ary mbola mipetraka hatrany koa ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ny vonjy aina voalohany eny amin’ny tobim-pahasalamana.

Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa mitentina 24 miliara Ar ny vola entin’ny fanjakana hanohanana ny ara-pahasalamana eto Madagasikara, amin’ity taona 2025 ity. Iatrehana ny vonjy voina, hamonjena aina maika, eny amin’ny hopitaly izany. Hampandehanana ny raharaha eny amin’ny toeram-pitsaboana ary hividianana fanafody sy ireo kojakoja, fa indrindra hanatanterahana ny fitsaboana manakaiky vahoaka.
Tamin’ny taona 2024, olona manodidina ny 1 200 000 no nisitraka ny fitsaboana manakaiky vahoaka. 330 000 nisitraka ny fitsaboana teny amin’ny tobim-pahasalamana. Hotohizana ny fitsaboana manatona vahoaka, araka ny toky nomen’ny minisitry ny Fa­hasa­lamam-bahoaka, Andria­manan­tany Zely.
Rehefa tra-doza ny olona dia maimaimpoana ny fitsaboana voalohany manerana ny Nosy rehefa tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana. 79 000 Ar ny fetran’ny vola natokana hitsaboana ny marary iray tra-doza tonga eny amin’ ny CHU, 39 000 Ar eny amin’ ny CHR ary fanafody kosa no sitrahana eny amin’ny CSB.
Vaindohan-draharaha iha­ny koa ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ka niakatra 55,5% ny olona mampiasa izany eto Madagasikara, an­kehitriny. Vehivavy vaovao 200 000 mampiasa izany.
Maro ny fanentanana na­tao, na ho an’ny tanora na ho an’ny olon-dehibe. Tokan­trano mandrindra ny fiainam-pianakaviana, afaka manao safidy ny zaza ateraka no tanjona.
Amin’ity taona ity, hitohy ny asa ary hopitaly manara-penitra 4 no hotokanana ato ho ato. 11 ireo efa vita tanteraka. 12 ny hopitaly efa an-dalam-panamboarana izay efa vita 80%. Hopitaly manara-penitra 6 mbola vao miainga ka 30% eo ny fahavitany.

Tatiana A

Partager sur: