Famokarana: tokantrano 6 650 nisitraka masomboly

Mitotaly 6 650 ireo tokantrano nisitraka tapakila elektronika mitentina 40 dolara ahazoana masomboly ho an’ny taom-pijinjana manaraka. Hetsika natao nandritra ny Tsenaben’ny masomboly tao amin’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo andrefana, nokarakarain’ny FAO, ny volana novambra teo mba hisitrahan’ireo tokantrano sahirana masomboly voafantina sy ara-kalitao. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana natao ny fizarana tapakila elektronika ho an’ireo tantsaha hampiroboroboana ny famokarana sy ahafahan’ny mponina miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hampifandray ny tantsaha, ireo mpampiroborobo ny masomboly, ireo mpandraharaha mba hisitrahany masomboly ara-kalitao mifanaraka amin’ny toe-tany eto an-toerana. Noho izany, hohamarinin’ireo manam-pahaizana manokama momba ny masomboly (SOC) avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ireo masomboly ka ho azo hampiasana mandritra ny taom-pambolena 2024-2025. Hampitombo hatrany amin’ny 4 401ha ny faritra hambolena ireo masomboly tsara kalitao voazara.

Henintsoa H.

Partager sur: