Maherin’ny 200 ireo fitoriana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna voarain’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), etsy Anosy.
Anisan’ny efa notsaraina teny an-toerana ireo fitoriana maherin’ny 60 avy any amin’ny faritra Bongolava sy ny any Itasy ary koa ny eto Analamanga. Samy andrasana amin’ny famoahan’ny Taf ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ny faritanin’ Antananarivo ny didim-pitsarana momba ireny fitoriana ireny.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fitsarana fa miompana amin’ny fitakiana fanafoanana ny vato azon’ny kandidà ny fitoriana amin’ny ankapobeny. Eo koa anefa ny fangatahana fanintsanana ny mpifaninana tamin’ iny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra teo iny.
Etsy andaniny, efa ao anatin’ny fampitahana sy ny fanitsiana ny voka-pifidianana hifanandrify amin’ny tokony ho izy koa ny eo anivon’ny Taf amin’izao fotoana izao, ankoatra ny fitsarana ny fitoriana voarain’izy ireo.
Ravalomanana Tojo sy Razafinjoelina Tahina
Anisan’ny efa nametraka fitoriana teny an-toerana ny kandidà, Ravalomanana Tojo sy Razafinjoelina Tahina, nialoha ny nivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika, nataon’ny Ceni. Nitoroka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny momba ny “Ordonnances” ary ny fampiasana fitaovam-panjakana sy ny fahefam-panjakana izy ireo.
Samy nametraka fitoriana koa anefa ny mpiara-dia amin’ ny fitondrana any amin’ny faritra hafa. Anisan’izany ny avy amin’ny vovonana Irmar sy ny Freedom.
Tsiahivina fa tokony hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny zoma 17 na ny sabotsy 18 janoary ho avy izao ny eo anivon’ny Taf, raha ho an’ny faritanin’Antananarivo. Tombanana hivoaka fara fahatarany ny 20 janoary kosa izany ho an’ny any amin’ny faritanin’Antsiranana, Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina ary Toliary.
Synèse R.