Tanterahina ny sabotsy 11 janoary izao, eny amin’ny Cites des Cultures Antaninarenina, ny velakevitra « La photographie documentaire et le photojournalisme : lumière en temps de crise ». Ao anatin’izany no hiresahana mahakasika ny maha izy ny sary pika eo amin’ny horonantsary fanadihadiana sy eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety. Iako Randrianarivelo no hizara ny traikefa sy fahaiza-manaony mandritra izany. Izy izay mpaka sary pika amina horonantsary fanadihadiana. Tafiditra ao anatin’ny fampirantiana “Ho tiavinay … Madagasikara” karakarain’ny vondrona Mi-Tily Sary izy ity. Tanjona ny hanasongadinana ny maha izy ny sary amin’ny fanabeazana sy fitaizana ho olom-pirenena vanona.
“Mpanazava ao anatin’ny haizina” io no hamaritana ny lanjan’ny sary pika ao anatin’ny horonantsary fanadihadiana sy ny fanaovan-gazety. Manana ny anjara toerany lehibe izy amin’ny fanehoana ny zava-misy marina indrindra rehefa anatin’ny vanim-potoan’ny krizy..
Lin