Jyeuhair: hanao seho roa eny amin’ny Ony House

Mandalo an-tanindrazana i Jyeuhair. Teratany malagasy izy, saingy monina any Frantsa, efa ho 16 taona izao. Hanao seho roa ity mpanakanto mpanao rap, izay nasongadin’ny fandaharana “Nouvelle école” ity. Anio hariva ny seho voalohany, etsy amin’ny House Ambatobe. Ao ihany koa ny faharoa rahampitso, samy amin’ny 7 ora. Mialoha izay anefa, hisy ny velakevitra hataon’i Jyeuhair eny amin’ny IFM Analakely, amin’ny 2 ora.
“ Efa nandrasako ela ny hisehatra aty Madagasikara. Sady manampy ahy hiverina amin’ny fototra izany no hakako traikefa hoentiko amin’ny mozika koa”, hoy ny nambaran’ity mpanakanto ity, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny Yas Andraharo. Anisan’ireo tetikasa efa nampanantenain’ny Projet Ony tamin’ny taon-dasa ny hanafatra vahiny mpanakanto, indrindra fa manana faka avy aty Madagasikara toa an’i Jyeuhair. Efa maro ireo mahalala ny sanganasany, ary noho ny hakelin’ny toerana eny Ambatobe no nanaovana ny seho ho indroa miantaona. Nasaina manokana hanao ny tapany voalohany i Joyce Mena Makoa, ani­san’ireo miaka-daza amin’ny mozika an-tanàn-dehibe amin’izao fotoana ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: