Manomboka mivelatra amin’ireo firenena afrikanina hafa

Vokatra voalohany anisan’ireo nahaliana ny eto an-toerana sy ny any ivelany ny « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Taorian’ireo fifaninanana maro natrehiny sy ny amboara maro norombahiny, mitohy hatrany ny fampivelarana azy.

Taorian’ny fitetezam-paritra teto Madagasikara, nampahafantarana ny horonantsary « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Mitohy any amin’ireo firenena afrikanina hafa ny fandefasana ity horonantsary ity. Nanomboka ny 3 janoary hatramin’ny faran’ity volana ity. Ao Kenya indray no ahitana ny « Disco Afrika: l’histoire Malgache ». Mandritra izany fotoana izany no hitetezana faritra maro amin’ity firenena ity.
Ao Unseen Nairobi no hanaovana ny hetsika fandefasana ny horonantsary, arahina tafa sy dinika iarahana amin’ny Luc Razanajaona, mpanatontosa ity horonantsary ity.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Maro ny babo sy liana amin’ity horonantsary ity, taorian’ny nandefasana azy tao amin’ny Alliance française ao Nairobi. “Sambany aho nijery horonantsary malagasy fa tena tsara. Na lafiny tekinika na ny vontoatiny dia tsara kalitao sy efa tena avo lenta tokoa”, hoy i Angela Wamai, Kenianina mpanatontosa horonantsary. Nambabo ny Kenianina maro ihany koa ny fanehoany sy fanandratany ny kolontsaina “Panafri­kanisme”. Ity kolontsaina ity izay anisan’ny voizina sy ezahina asandratra eto Afrika, amin’izao fotoana izao.
Horonantsary maneho ny zava-misy iainan’ny tanora eto Madagasikara ny « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». I Luck Razanajaona no nanatontosa azy ary Herizo Rabary no namokatra. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Malagasy matihanina eo amin’ny sehatry ny horonantsary ihany koa izy ity. Anisan’ny nanampy tamin’ny fanatontosana izany ihany koa mantsy i Rianando Ludovic.

Lin

Partager sur: