Noho ny aretina nitaiza azy: lehilahy hita faty nihantona tamin’ny tady

Lehilahy iray hita faty nihantona tao an-tranony, ao Andavadopy, fokontany Ambohipanasina, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrika Ambohidratrimo, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora.

Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ambo­hipanasina ny le­hiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria momba ny fisian’ity fatin’olona mihantona amin’ny tady ity. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy amin’ny CSB2 Anosiala nanao ny fitsirihana. Voamarina tokoa ny fisian’ny razana mbola mi­hantona amin’ny tady mifatotra amin’ny hazotafo ao an-tranony. Mitranga ny lelany nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny zandary. Mbola hita teo akaiky teo ny seza nijoroany, efa tsy misy aina intsony. Araka ny fanambaran’ny mpitsabo nanao fizahana ny razana, tombanana ho maty noho ny kofehy na­nantonany tena izy. Raha ny filazan’ny rahalahin-drain’ny maty nipetrahany, fony fahavelony, izy no nahita azy voalohany ka nampilaza ny sefo fokontany. Nitantara ny fianakaviany fa efa indroa saika ha­mono tena izy io saingy tamin’izao fanintelo izao vao tena maty tokoa. Voala­zan’ny fianakaviany fa noho izy manana aretina mitaiza ao amin’ny kibony no anton’izany. Tao­rian’ny fizahana nataon’ny dokotera, natolotra ny fianakaviana ny razana.

Jean Claude

Partager sur: