Manana hetsika lehibe iray, amin’ity taona 2025 ity, ny taranja bisikileta. Hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny federasiona, ny volana aogositra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny mpilalao hanao izany.
Araka ny fikarohana natao, hiverina hanao fanazarantena ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, ny 13 janoary izao, ny klioba Fosa Juniors Boeny, na ho an’ireo sokajy zandriny izany, na ny Elita. Tsiahivina fa ity ekipa ity, manana ny lazany manokana amin’ny baolina kitra eto Madagasikara.
Nanaitra ny maro ny fanambarana nataon’i Didier Deschamps, mpanazatra ny ekipam-pirenena frantsay les Bleus, afakomaly. Nilaza ny tenany fa tsy hitondra an’i La France intsony aorian’ny « Mondial 2026”, izay hatao any Meksika sy Etazonia. Tamin’ny taona 2012 izy no nitantana ny les Bleus. Maro ny zava-bitany ho an’ity ekipa frantsay ity, anisan’izany ny nandrombahan’i France ny amboara maneran-tany fanindroany, ny taona 2018, tany Russie.
Nifindra klioba ao amin’ny JS Ste Rosienne La Réunion, ilay Malagasy vodilaharana, Ramanjary Theodin. Tsiahivina fa tao amin’ny As Ste Suzanne, La Réunion ihany, izy no nilalao teo aloha. Kapitenin’ny Fosa Juniors FC Boeny fahiny moa i Theodin ary nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy Barea izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto Madagasikara.