Tapa-tenda sy ratsam-batana: notetehin-janany tamin’ny antsibe ny raikeliny

Maty notetitetehin’ny tovolahy iray ny raikeliny, afakomaly. Voalazan’ny mpitandro filaminana fa mamon-drongony diso tafahoatra ity nahavanon-doza ity. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy.

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny habibiana nataon’ny tovolahy taizany tao amin’ny tanànan’Andalamalama­hitsy, fokontany Androka­raoka, kominina renivohitra Mananarava Avaratra, afakomaly. Lehilahy 25 taona nitetika tamin’ny zava-maranitra an’io raikeliny io. Efa nalaza ratsy nampihorohoro ny ma­nodidina io nahavanon-doza io, araka ny loharanom-baovao. Mpidoroka zava-mahadomelina izy saingy tsy nohenoiny ny anatry ny reniny sy io ray nitaiza azy io. Anatin’ny hamamoana, nandray antsy ity lehilahy ity. Nenjehiny ilay raikeliny. Nokapakapainy tamin’ny antsy ny tanany, ny tongony niampy ny tendany. Niala tamin’ny vatan’io raim-pianakaviana io avokoa ireo voalaza ireo. Maty ity farany.

Nenjehiny ny reniny
Nitsoaka noho io adalana nataon’ilay lehilahy mamon-drongony io ny nanatri-maso. Tsy vitan’ny namono ilay rangahy, mbola nenjehiny ho vonoina tamin’ny antsy koa ny reniny niteraka azy. Niezaka niaro io renim-pianakaviana io, araka izany, ny fokonolona. Nanao ny fomba rehetra nanakanana ilay lehilahy nahavanon-doza sy nisambotra azy. Nampidiriny tao anaty gony anefa ny lohan’ilay raikeliny ka nentiny nandositra nanaraka azy. Tsy lasa lavitra, tratra tao amin’ny tanànan’ Ambitsika izy. Nikasa hampihatra fitsaram-bahoaka ireo nahasambotra azy saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka nitondra azy eny anivon’ny birao.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: