Manana vina ny hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, omaly, fa hiatrika sahady ny fampivondronana ny ekipa nasionaly izy ireo, ny faran’ny volana janoary, ka ireo izay nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny fifaninanam-pirenena teo no miatrika izany.
Natao hanomanana ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hatao ny volana marsa ho avy izao, any Casa Blanca Maroc, ity hetsika ity. Nomarihin-dRaveloson Mamitiana, fa raha tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mandritra io fifanintsanana afrikanina io, miatrika ny lalao maneran-tany i Madagasikara. Hotontosaina any Zagreb Croatie, ny volana septambra ho avy io izany, raha ny fikarohana natao.
Handray anjara amin’ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ireo firenena miteny frantsay, « Jeux de la Francophonie », izay hanomboka ny volana jona, any Lomé Togo, ireo ekipam-pirenena malagasy. Notsiahivin’ity mpitantana ny FML ity fa afapo tamin’ny ezaka rehetra vita nandritra ny taom-pilalaovana lasa teo ny tenany, ary 85 isan-jaton’ireo hetsika no tontosa. Tsara ny mampahatsiahy fa nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy dimy izay mandrafitra ny federasiona, ny fitondran-dRaveloson Mamitiana, nandritra ny fivoriambe ara-potoana, natao tetsy Analakely, ny desambra lasa teo. Anisan’izany ny ligin’ Analamanga, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Boeny ary Ihorombe.
Fitia Randria