Tamin’ny 3 oktobra 2024, tonga teny amin’ny Ceni ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, nametraka taratasy fanekena ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny fakana ordonansa. Izay ny fanazavan’ny birao mpanatanteraky ny Ceni, notarihin’ny tonia mpanatanteraka, Rakotondrasoa Tseheno, tamin’ny mpanao gazety, teny Alarobia, omaly, manoloana ny resabe ny amin’ny fakana ordonansa tamin’ny fifidianana kaominaly. Izay no anisan’ny nanapahana ny fahazoana misoratra anarana amin’ny alalan’ny ordonansa. Tsy tao anatin’ny lisi-pifidianana tamin’ny 15 mey 2024 ny kandidàn’ny Tim, i Tojo Ravalomanana, fa nangataka ordonansa. Tsy kandidà teto Antananarivo Renivohitra izy, raha tsy nisy ordonansa. Ny fitsarana no mandidy ny Ceni hampidirana ireo nahazo ordonansa ho ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fangatahan’ny olona tsirairay. Nisy ny fokontany nangataka ordonansa ny olona ao aminy noho ny fahasahiranan’izy ireo miasa andro aman’alina. Mahatratra 84 770 ny olona nangataka ordonansa, ary
68 479 no nahazo izany. Olona nifidy tamin’ny ordonansa ho an’Antananarivo Renivohitra: 34 998 nisoratra anarana tamin’ny ordonansa, ny tonga nifidy 1 079 na 5,94%. Tsy misy afa-tsy 0,80% no nifidy tamin’ny alalan’ny ordonansa tamin’ny tonga nifidy ankapobeny. Momba ny fidirana antsokosoko amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni tamin’ny 20 desambra ka nisy nanova ny 21 desambra: nitory olon-tsy fantatra ny Ceni, fa tsy nitory olona fantatra. Ny fanadihadiana no nivoahan’ny anaran’ny manampahaizana momba ny informatika avy eo anivon’ny antoko Tim.
R. Nd.