Araka ny vaovao voaray omaly, tamin’ireo mpampita vaovao eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), hisy ny fivoriambe ara-potoana hataon’ izy ireo, ny 18 janoary ho avy izao, etsy Mahamasina.
Tanjona amin’ity fivoriana ity ny hanaovana ny tatitra amin’ireo ligy ny ezaka efa vita sy ny handaminana ny fandaharam-potoan’ ny taom-pilalaovana 2025.
Raha ny vokatra no jerena, azo lazaina fa nahomby ny fitantanan-dRamaroson Jean Michel, filohan’ny FMBB, teto an-toerana, ny taona lasa teo. Porofon’izany ny nahazoan’i Madagasikara ny amboaran’i Afrika, sokajy lahy sy vavy, tamin’ny basikety lalaovin’olona telo, “Fiba 3×3”, izay notontosaina teto an-tanindrazana, ny volana desambra 2024 lasa teo.
Tsara ny mampahafantatra fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny “Basikety 3×3” ny ekipa nasionaly Ankoay, lehilahy sy vehivavy, ny volana jona ho avy io, any Mongolie. Efa nanatanteraka fivoriana mahakasika ny fiatrehana izany fifanintsanana iraisam-pirenena izany ny eo anivon’ ny FMBB, omaly.
F.R