Mbola tena misy ny tetanosin’ny zaza vao teraka raha ny fanamarihana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Sarotra tsaboina izy io ary kely ny taham-pahaveloman’ny zaza raha voany.
Azo sorohana tsara amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana eny anivon’ny tobim-pahasalamana anefa ny tetanosy mahazo ny zaza vao teraka. Saro-pady, araka izany, ny fiterahana an-trano tsy atrehin’ny mpampivelona.
Mitera-doza ihany koa ny tsy fahavitan’ny reny bevohoka vaksiny misoroka an’io tetanosy io satria mety hamoizana ny ain’ilay zaza mihitsy.
Aretina avy amin’ny mikraoba “clostridium tetani” izay mahazo ny zaza eo amin’ny 3 andro nahaterahany hatramin’ny faha-28 andro ny tetanosy. Aretina saro-pady sy sarotra tsaboina ary mahafaty ny zaza hatramin’ny 80%. Azo eo am-piterahana matetika ny tetanosy ho an’ny zaza vao teraka. Hita eny rehetra eny ny mikraoba.
Misafo voalohany ny vehivavy bevohoka dia manao vaksiny fatra voalohany TD1. Afaka iray volana no anaovana ny vaksiny fatra faharoa TD2 ary enim-bolana aorian’izay ny vaksiny fahatelo. Mitohy ny fatra fahefatra afaka herintaona ary herintaona aorian’izay indray ny fatra fahadimy. Maimaimpoana avokoa ny fanatanterahana izany.
Tatiana A