Nitrangana fanafihana mitam-piadiana namoizana ain’ olona tao Ambohiboatavo, kaominina ambanivohitr’ Ampitatsimo, distrikan’ Ambatondrazaka, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Vokany, olona telo indray maty. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, mpanampy iray saika hanome sakafom-borona no nahita ilay renim-pianakaviana nitsotra amin’ny tany, nihosin-dra voatsindry vatobe ny lohany. Niantso ny fokonolona avy hatrany izy, nojerena ka ankizy 10 taona koa namoy ny ainy nozerana vatobe tsy lavitra ilay razana voalohany. Renim-pianakaviana iray hafa koa, hita nihosin-dra tsy lavitra teo. Izy no nifandrombahana novonjena nalefa haingana any amin’ny hopitaly. Tsy avotra intsony anefa ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny lohany. Tonga teny an-toerana nanao fitsirihana ny razana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera. Tsy niandry ela, taorian’ny fanadihadiana savarananondo nataon’ny mpitandro filaminana, olona iray voasambotra. Ahina ho misy ifandraisany amin’ity raharaha fanafihana narahina vonoan’olona ity izy. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ity raharaha feno habibiana niseho tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ity.
Jean Claude