Fibatana fonjamby: nahazo sazy henjana i Roilya

Navoakan’ny gazety maorisianina, ny faran’ny taona 2024, fa nahazo sazy henjana ilay Malagasy mizaka ny zom-pire­nena maorisianina, mpibata fonjamby, Ranaivosoa Roilya. Nosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena, tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana ao Maurice sy amin’ny
sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2026 ny tovovavy. Nihatra nanomboka ny 24 mey 2023 izany.
Anton’izao sazy izao ny tsy fanajany ny lalàna miady amin’ ny fandraisana fanafody mampatanjaka. Raha tsiahivina, ny taona 2016, tsikaritry ny sampana International Testing Agency, fa nisy olana teo amin’ny karazana “pipi”ny. Taorian’ izay, nomena fotoana hatramin’ny jona 2023 hitondra fanazavana mahakasika izany izy saingy tsy naharesy lahatra ny fanazavany ka izao nilatsaka izao ny sazy. Tsy vitan’izay fa nesorina taminy avokoa ireo anaram-boninahitra rehetra azony. Anisan’izany ny naha tompondakan’i Afrika azy ny taona 2016 sy 2018 ary ireo medaly volamena tamin’ny Lalaon’ny tany miteny anglisy, ny taona 2018.

Tompondaka

Partager sur: