Fipoahana tetsy Nanisana: roa lahy maty, iray tapa-tongotra

Maty am-perinasa, lehilahy roa simba tanteraka ny vatany nipoahan’ny entona «gaz autogène» tetsy Nanisana, omaly tolakandro. Voa mafy teo amin’ny tongony ny fahatelo ka nentina eny amin’ny hopitaly.

Tapa-tongotra sady kila ny iray raha toa ka sim­ba tanteraka ny namany, niara-maty ireo roa lahy nipoahan’ny entona “gaz autogène” tao amin’ny fokontany Iadiam­bola-Nanisana, boriborintany fahadimy, omaly tolakandro. Naheno zavatra nirefotra tampoka, nikoropaka ny manodidina nijery ny zava-nisy. “Nipoa­han’ny gaz ireo mpiasa tao amin’ilay trano vao an-dalam-panamboarana, hitanay tamin’ny 3 ora sy sasany teo ho eo”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nipitika avokoa ireo telo lahy voalaza fa mpiasa tao amin’io toerana io. Namoy ny ainy teo no ho eo ny roa lahy. Tavela teny an-tanan’ny iray ny fitaovam-piasany. Kila tanteraka anefa ny vatany. Tapaka ihany koa ny tongony roa. Ankilany, tsy nisy namantarana azy intsony ilay maty faharoa. Rovitra ny kibony. Potika tanteraka ny vatany.

Nifamonjena
Nifamonjena nentina eny anivon’ny toeram-pitsaboana ny raim-pianakaviana iray fahatelo. Tapaka avokoa ny tongony roa vokatr’io fipoahana io. “Mbola afa-niresaka, nanome ny laharan’ny fianakaviany izy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny nanatri-maso teny an-toerana. Voamarina fa avy any Moramanga ireo telo lahy mpiasa ireo ary nikasa hamonjy fodiana ho an’ny anio, kinanjo izao niharan-doza izao. Niezaka naka fanampim-baovao tao amin’ny tompon-toerana nitrangan’ny voina ny mpanao gazety saingy tsy mbola nahazo alalana hiditra tamin’io fotoana io. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity. Tsy fantatra mazava hatreto ny antony niteraka ny fipoahana ka izao namoizana aina izao. Efa nihatrana teny an-toerana ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana niroso amin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: