Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny tafa sy dinika iarahana amin’i Aina Zo Raberanto sy i Miora Rajaonary. Manodidina ny fampirantiana « Lamba » no tena resahina ao anatin’izany. Ho hita ao anatin’izany ny hevitra fonosin’ireo zavakanto mandravaka ny fampirantiana. Eo ihany koa ny fomba maro samihafa nampiasain’ny Malagasy izany fahizay sy amin’izao. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fizaran’ireto mpandray anjaran’ny hetsika ireto ny lalana nolalovany teo amin’ny sehatry ny zavakanto. Miray vina sy tanjona amin’ny Fondation H izy roa ireto amin’ny fanaovana izao hetsika izao. Tanjona ny hampivelarana hatrany ny zavakanto eto Madagasikara, indrindra hanohanana ireo mpanakanto vao misandratra.
Vontoatin’ny resaka mandritra ity tafa sy dinika ity ny mahakasika ny lamba sy ny fampirantiana “Lamba”. Nosafidina manokana ireto mpanakanto roa ireto noho ny fahaiza-manao sy ny traikefany eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. “Kasinga iray manana ny maha izy azy eo amin’ny Malagasy ny lamba ary tena manana ny hasiny tokoa. Na aiza na aiza manome lanja azy ity avokoa. Anisan’ny kojakoja tsy misaraka amin’ny Malagasy io manomboka any amin’ny fahaterahana hatrany amin’ny fahafatesana”, hoy i Aina Zo Raberanto.
Lin