Marais Masay: esorina ireo tsikafona manentsina ny vavarano

Ao anatin’ny fiatrehana ny taom-pahavaratra, hanadio ny eny amin’ny Bassin tampon sud Marais Masay ny ao amin’ny CUA. Hodiovina ny toerana mirefy 5ha. Tsentsin’ny tsikafona ireo vavarano andehanan’ny rano avy any Andravo­ahangy, Besarety ary Maha­voky.
Miteraka fiakaran’ny rano izany, indrindra rehefa avy ny orana. Tonga teny an-toerana ny PDS, Alexandre Georget, nanaraka ny fiantombohan’ny asa, omaly, ary nanamafy fa hanaraka ny fizotry ny asa isan’andro mihitsy.
Nifanome tanana ny avy eo anivon’ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra (DBTP), ny Autorité pour la protection contre les inondations de la pleine d’Antananarivo (APIPA), ary ny Société municipale d’assainissement (SMA) mba hanalana ireo tsikafona.
Haharitra 15 andro ny asa fanadiovana, nanomboka ny alakamisy teo. Fitaovana ma­ro, toy ny “pelle mécanique”, “camion benne” ary lakana no ampiasaina mandritra izany. Alana ireo tsikafona ka entina eny an-tanety. Ireo fiarabe kosa avy eo no mitatitra izany eny Andralanitra.
Nisy ihany koa ny tetikasa Himo, ifarimbonan’ny olona miisa 50 eo, teny an-toerana. Mitaona ireo tsikafona ho ao anaty fiarabe no ataon’izy ireo amin’izany. Ampiarahana ha­trany amin’ny fanentanana ny olona hitandro mandrakariva ny fahadiovana ny fanatanterahana ny asa.

Tatiana A

Partager sur: