Nitondra ny heviny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra, Mara Volamiranty Donna. Anisan’ny noresahiny ny momba ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo.
“Ny governemanta iray manontolo no miara-misalahy amin’ny fiarovana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ ny fifidianana”. Io ny fanehoam-pijerin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny mety hidinan’ny mpanohitra an-dalambe noho ny tsy fanekena voka-pifidianana. Andrasana ny valim-pifidianana ofisialy, ary hiaro an’izay valim-pifidianana ara-dalàna izay ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny governemanta iray manontolo. Tsy fanakanana na tsia ny fidinana an-dalambe izany, fa fiarovana ny safidin’ny vahoaka no adidy sy andraikitry ny governemanta.
Efa mitodika amin’ny fampandrosoana
Ny tontolo politika no efa miova eto Madagasikara, amin’ izao. Raha ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, 1 695 ny kaominina manerana an’i Madagasikara niatrika fifidianana teo. Nisy hosoka na hala-bato avokoa ve izany? Ny voka-pifidianana vonjimaika no azo iaingana. 967 no azon’ny Irmar tamin’ izany, ary 474 ny mahaleo tena na tsy miankina. Aorian’izay avokoa ny avy amin’ny fanoherana. Ahazoana mandrefy ny hery politika matanjaka
eto amin’ny firenena ny valim-pifidianana vonjimaika. Izay valim-pifidianana izay no iaingana, ary tokony ho samy saro-piaro amin’izany. Satria miaro ny safidin’ny Malagasy koa ny fitondram-panjakana. Niala tao an-tokantranony haneho ny safidiny ny olom-pirenena tamin’ny fifidianana. Tomponandraikitra izy. Rariny sy hitsiny raha arovana sy tandrovina izay safidiny izay. Ny hery politika eto Madagasikara no efa mitodika amin’ny fampandrosoana amin’izao.
R. Nd.