Noho ny hamafin’ ny fiainana: ny ankizy indray no lasa miantoka ny famelomana ny ankohonana

Lasa ianteheran’ny ray aman-dreny mihitsy ny ankizy amin’ny famelomana amin’izao fotoana. Ampirisihina amin’ny fomba rehetra hitady vola, indrindra ireo fianakaviana tena latsaka an-katerena. Ny ankizy no misy mpitsetra ka mora mahazo vola eny an-dalambe.

Efa mivadika ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, amin’izao fotoana, vokatry ny fahasahiranana lalina ka lasa mampanaonao foana sy mampitsimbadika ny andraikitry ny tsirairay.
Raha ny hatramin’izay, andraikitry ny ray aman-dreny ny mamelona ny zanany ao an-tokantrano. Tsy izany intsony anefa no zava-mitranga ankehitriny fa ny ankizy indray no miasa mafy sy iharan’ny fanerena hitady vola ho an’ny ankohonana.
Hita taratra amin’ireo ankizy irahina hangataka manerana ny tanàna izany. Tsy maintsy mahazo vola amin’ny fomba rehetra omena ny ray aman-dreny. Miandry mahazo eny amin’ny sisiny, manao tazan-davitra ary mampirisika ny zanany ireo ray aman-dreny.
Ankoatra ny mangataka eny an’arabe, miasa manototra lalana, mivarobarotra, mamaky vato, mantsaka rano, manary maloto, mitaona entana…Toy izany ny asa ataon’ireo ankizy.
Miantoka ny vola miditra iveloman’ny ankohonana mihitsy ireny ankizy ireny. Alain’ny lehibe ny vola azo ary ividianana vary, siramamy, saribao, rano…
Mandrisika ny ankizy ho lasa mangalatra ary mamolavola azy ho tontakely, mpanao sinto-mahery… ny zava-misy iainany. Tsy mora ny fanerena ataon’ny ray aman-dreny fa mila mahazo vola vao mody. Mihevi-tena ho olon-dehibe ireny ankizy ireny ka lasa manaotao foana mihitsy.
Efa loza mihatra eny amin’ny fiarahamonina mihitsy io fampiasana ankizy io. Endrika hafa isehoan’izany ny fandefasana ny ankizy avy any ambanivohitra hiasa an-trano aty an-drenivohitra. Tsy misitraka karama ilay ankizy fa alefa any amin’ny ray aman-dreny ny tambin-kasasarany.
Ho an’ireo ankizy efa vatombatony aty an-drenivohitra indray, mitondra finday avo lenta, fitaovana lafo vidy, sakafo isan-karazany miditra ao an-trano. Tsy misy ny fanontanian’ny ray aman-dreny fa toa mandeha ho azy na zaran’ny ray aman-dreny sasany aza.
Teren’ny fifaninanana eo amin’ny samy mpinamana na samy mpiray vodirindrina ka lasa tonga amin’ny fivarotan-tena ankolaka na varo-janaka mihitsy.

Mitaky andraikitra sy fahatongavan-tsaina
Manana ny politikam-pirenena fiarovana ny ankizy ny fanjakana ary efa mijoro ny komitim-pirenena miaro ny ankizy. Manara-maso ny fametrahana ireo paikady napetraka mahakasika ireo fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy no asan’izany komity izany.
Tena zava-dehibe indrindra koa ny fanentanana amin’ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay, fiarahamonina, ray aman-dreny… fampiharana ny sazy manoloana ireny fanimbazimbana ny zon’ny ankizy ireny, ny fampiasana ankizy tsy ampy taona amin’ny endriny rehetra…

Tatiana A

Partager sur: