Ratsietison Jean-Jacques: “Namadika ny tolona ny vondrona Firaisankina”

“Nahatonga ny kolektifan’ny kandidà 10 (C10) niparitaka ta­min’ny 2023, fifidianana filohan’ny Repoblika, namadika ny kandidà Ravalomanana Marc: nandefa ny olona handeha hifidy”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI-Ma) izay mpikamban’ny Kolektifa an’ny Malagasy ary kandidà filohan’ ny Repoblika, Ratsietison Jean-Jacques, taona 2023, manoloana ny antson’ny vondrona firaisankina sy ny RMDM ny hitambaran’ny mpanohitra. Tsy zavatra moramora izay fi­paritahan’ny C10 izay. Tokony hieritreritra avokoa ireo olona manaraka an-dRavalomanana Marc. Satria ny tetiky ny filoha Rajoelina dia hoe: raha misy mandray anjara amin’ny fifidianana ireo C10, hankatoa­vin’ny iraisam-pirenena moramora ny valim-pifidianana eto Mada­gasikara. Ravalomanana irery no nanaraka… Ny hitan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena: nisy olona efatra nandray an­jara tamin’ny fifidianana. Ao anatin’izay, nahazo 12% ny filoha teo aloha. Nankatoavin’ ny iraisam-pirenena avy hatrany ny valim-pifidianana tamin’ ny fifidianana filohan’ny Repo­blika, ny desambra 2023. Nefa ny niadiana sy nitondrana olona teny an-dalambe tamin’ny He­tsika fotsy: atao izay tsy hankatoavan’ny iraisam-pirenena ny fifidianana. Ny mifanohitra amin’izay no nataon-dRavalo­manana. “Izay no mahatezitra ny Kolektifa an’ny Malagasy”, hoy izy. Tsy matoky an-dry zareo eo anivon’ny vondrona Firai­sankina raha izy manokana.

R. Nd.

Partager sur: