“Conference Live” miaraka amin’i Silo. “Avy any amin’ny aingampanahy, mankany amin’ny hira vita”. Ao anatin’izay fotoana nanaovany ny tolotra fanohanana ireo mpamoron-kira izay i Silo amin’izao fotoana izao. Hofaranany, anio, etsy amin’ny ADMC-Craam Ankatso izany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Atrikasa, velakevitra arahina fampisehoana io.
Tafaverina indray ny hetsika ara-javakanto eny amin’ny IFM Analakely. Handaravaka ny andron’ ny anio ny fanentanana angano ho an’ny ankizy iarahana amin-dRakemba Raketamavo. Ao anatin’izany hetsika izany ny hampahafantarana ny hasin’ny angano eo amin’ny fanabeazana sy ny fitaizana. Eo ihany koa ny famerenana izany hasiny izany.
Misokatra anio ny fampianarana dihy eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny mozika “Valiha Académie”. Fantatra fa mahatratra 17 mianadahy ity andiany voalohany ho an’ny eto an-dRenivohitra ity. Nomarihin’ny tomponandraikitra fa efa nisy ny fampianarana dihy teo anivon’ity foibe ity teo aloha. Teny Atsimondrano no nanatanterahina izany hatramin’izay.
Teo amin’ny laharana faharoa no nisy an’i Tsiory Razafinimanana nandritra ilay fifaninanana “Le Meilleur Patissier”, natao tao Paris Frantsa. Ny alakamisy teo no nanaovana ny dingana famaranana tamin’izany fifaninanana izany. Timothé, ilay teratany Frantsay vao 16 taona monja no nahazo ny laharana voalohany tamin’izany fifaninanana izany.