Toekarena manga: 1 254 000 euros hampiroboroboana ny jono

Voafaritra omaly, teny Nanisana, nandritra ny fivori­an’ny komity miandraikitra (Appui sectoriel) ireo sehatrasa hampiasana ny famatsiam-bola hanohanana ny jono, araka ny fifanarahana ara-jono eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina (UE) andiany faharoa. Mitotaly hatrany amin’ny 1 254 000 euros ny volan’ny komity miandraikitra hanatanterahana ny tetikasa amin’ity taona ity. Hita ao anatin’izay « ny fanatsarana ny lafiny jono, toy ny fifidianana ireo pirogue fibre verre, moteur hors-bord, filet sy kojakojam-panjonoana maro samihafa. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fihariana anaty rano, ny fitohizan’ny fametrahana ny Zone d’émergence piscicole ho fampandehanana izany manerana an’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Hojerena manokana ny asan’ireo « Autorité sanitaire halieutique » (ASH) sy ny asan’ny sampana mpanara-maso ny jono izay mampiasa sambo maherin’ny 23. Ao anatin’izay ny lafiny fifampitondrana tsara tantana, araka ny fanazavana.
Nisy ny fanatsarana ireo asa natao tamin’ny taon-dasa ka samy afapo ny rehetra. Marihina fa tanterahina isan-taona ny fivorina, atrehin’ireo avy ao amin’ny « Comité consultatif des gestions des pêcheries » (CCGP), ny firaisamonim-pirenena sns. Mbola hitohy amin’ny volana novambra, any Toliara, ny fivoriana manaraka iarahan’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: