Harenina ny lalana eny Ambatoroka mankany Ambohipo, hatrany Ambolokandrina. Ampahany voalohany ny eo Ambatoroka sy Ambohipo (ny sampanan-dalana telo) mihazo ny tsena sy ny fiantsonana « 164 ». Faharoa, ny mankany Ambolonkandrina hatrany amin’ny fivilian-dalana Antsahamamy. Ho vita amin’ny febroary ny asa.
Zara raha manodidina ny 50% sisa ny herinaratra azon’ny mpanjifa, raha ny eto an-dRenivohitra, vokatry ny delestazy. Hanamarinana izany, maharitra adiny roa na telo ny fahatapahana, mandritra ny andro sy ny alina. Raha aravona, maharitra 9 ora ka hatramin’ny 12 ora ny fitambaran’ny fahatapana isan’andro.
Mitotaly 308 275 ireo mpizahatany tonga nitsidika an’i Madagasikara, nandritra ny taona 2024. Porofo izany fa manomboka miarina ity sehatra ity eto amintsika ka mahasarika ireo mpizahatany ny Nosy malagasy. Vinavinaina hihatsara ity sehatra ity ho an’ny taona 2025 ka handray anjara 14,9% ao amin’ny harinkarena faobe.
Tafiditra ao anatin’ny firenena tsara tsidihina ho an’ny taona 2025 i Madagasikara. Namoaka izany ny gazety boky iraisam-pirenena, Evaneos, mahakasika ny fizahantany. Asongadiny ao ireo toerana kanto sy mahaliana eto amintsika, amin’ny lafiny tontolo iainana, ara-kolontsaina, sns, manerana ny faritra maro samihafa.