Zavakanto: mila jerena akaiky ny asa tanana

Tsy afa-misaraka ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny asa tanana. Tsy mifanalavitra rahateo ny fanahy mampifamatotra azy ireo. Na izany aza, saika mandeha ila ny fampandrosoana ny asa tanana. Ilay varotra amin’ny maha « entana » azy no tonga mialoha fa tsy ny fanahy hoenti-mamorona sy mamita ny asa. Ny varotra no mibahan-toerana sy omena lanja?
Ho an’ny firenena mbola lavitry ny fampiasana ny teknolojia. Sandaina lafo ny fanahy mamorona sy manatanteraka. Tsy tsapan’ny mpanao asa tanana loatra izy io, hany ka resin-tosiky ny lamba navoakan’ny milina goavana ny tenona landy niainga avy any andrefan’Iarivo.
Raha hampahafantarina ireo mpanao asa tanana eto Madagasikara, anefa, fa mahasarika sy lafo vidy kokoa ny sanganasan’izy ireo, raha ahatarafana ilay asan’ny fanahy ao aminy. Mbola hafa mihitsy, ohatra, ny zaitra atao tanana sy ny avoakan’ny milina. Saingy, mila arahina fikajiana fatratra ny fanaovana asa tanana ombam-panahy mba tsy ho kitoatoa ny zava-bita.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: