Tratra teo am-panosehana moto halatra ny jiolahy telo, teny ambatofotsy, ny alahady tamin’ny 1 ora maraina. Nanao ny asa fisafoana teny an-toerana ny zandary, notarihin’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Ambatofotsy. Nandritra izany, nahita telo lahy mampiahiahy nanosika moto nandalo teo ambony tonelina manamorona ny lalam-pirenena fahafito (RN7) izy ireo. Nitsoaka avy hatrany ry zalahy raha vao nahita ireo zandary. Raikitra teo ny fifanenjehana ka tratra tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy niaraka tamin’ilay moto vao avy nangalarina. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary no nahafantarana fa avy nangalarin’ireo jiolahy tany Ambatofahavalo io moto io. Niaiky tokoa ity jiolahy ity fa moto halatra io. Saika hoentina hiakatra aty an-dRenivohitra hitadiavana mpividy. Nogiazana avy hatrany ilay moto raha hanaovana fanadihadiana ao amin’ny zandary ilay jiolahy. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy namany. Efa nanaovana filazana ny tompon’ny moto very tamin’io alina io. Mipetraka ao Ambatofahavalo ihany ilay jiolahy tratran’ny zandary. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
J.C