Manohy ny diany mankany amin’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy 14 taona, vehivavy, ny Akomba de Madagascar. Ratsy kosa ny vokatra ho an’ny ekipan’olon-tokana. Samy nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa izy ireo.
Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Fihaonana ho an’ireo sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Tsara ny vokatra ho an’ny isan-tarika U14, vehivavy, satria tafita amin’ny manasa-dalana.
Raha tsiahivina ny vokatra, resin-dRamanampanoharana Onintsoa sy Randrianasolo Eliana Matei, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/1), ireo teratany Namibianina, i Phuthi Leshoele sy i Ntsepase Toloane. Ny seta voalohany ihany no hany nahatohitra azy mirahavavy ireo mpifanandrina taminy.
Tafakatra amin’ny manasa-dalana ihany koa, ho an’ny U14, lehilahy, Razafindrazaka Ny Avo teo amin’izay olon-droa izay saingy niaraka tamin’ilay maorisianina, i Alexandre Thevenet izy. Lavon’izy mirahalahy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/2), ireo angoley, i David Lemos sy i Italo Tuluca. Nihintsana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, teo amin’ io U14 io, Randimbison Manou sy Rakotondramboa Sebastien rehefa resin’i Amin Rosa sy i Marco Silva, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/4).
Ratsy ny vokatra ho an’ny olon-tokana
Tsy nandingana ny ampahefa-dalana ireo Malagasy mpilalao teo amin’ny olon-tokana. Ho an’ny U14, vehivavy, nosakanan’ilay zimbaboanina, i Claire Majeye, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/1 ; 0/6 ; 12/10) i Matei Eliana. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’izy mirahavavy satria tonga hatrany amin’ny «tie-break». Lasan’ilay zimbaboanina ny seta voalohany, avy eo nosahalain’i Matei saingy tsy voatazony io fandresena efa azony io teo amin’ny «tie-break». Niatrika ny fiadian-toerana faha-9 ny tovovavy avy eo saingy mbola resin’i Malak Macheng. Tapitra teo amin’ny ampahefa-dalana koa ny lalan’i Ny Avo, ho an’ny U14, izay niondrika teo anatrehan’ilay Afrikanina tatsimo, i Tristan Summers.
Ho an’ny U16, vehivavy, lavon’ilay zimbaboanina, i Chanelle Zhuwakini, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/2 ; 6/0 ; 7/10), i Soa Ainatia. Mbola hitohy amin’ity alatsinainy ity ny fifaninanana.
Tompondaka